Trano Gasy zaridaina Ambohijatovo
Tamin’ny desambra 2022 aho no nanoratra mikasika ilay Trano Gasy tetsy Soarano-Tsiazotafo. Hoy aho tamin’izany : «Misy Trano Gasy iray, kanto sady miavaka, etsy Soarano-Tsiazotafo, nipetrahan’i Randzavola, Mpitandrina tao Ambonin’Ampamarinana sady Mpanoratra, saika hisy handrava. Nolavin’Antananarivo-Renivohitra* izany fikasana izany noho ny maha vakoka sady endriky ny vohitra ilay Trano Gasy ka asa ny Fitsinjaram-pahefana raha hanome rariny ny Vondrona Itsinjaram-pahefana mangataka...