Toamasina : Niverina ny famatsiana solika
Niravina ny olana. Nivoatra isan’ora ny fifampiresahana omaly. Nanaiky ny niverina amin’ny asany andavanandro ireo fikambanan’ny mpamily sy mpamily mpanampy. Izany dia noho ny fifampihainonoana teo amin’izy ireo sy ny delegasiona mafonja avy amin’ny fanjakana izay notarihan’ny tonian’ny fampanoavana tao Toamasina. Amin’ireo mpamily dia ny fihainoana azy ireo no tena zava-dehibe fa tsy ny famoahana didy entina hanerena iretsy voalohany hiasa. Omaly tapakandro maraina dia mbola...