TOAMASINA, 08 MARSA 2024. ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ZON’NY VEHIVAVY. LAHATENIN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA
Ho anareo Andriambavilanitra rehetra, tsy ampy ny andro iray ankalazaina ny vehivavy. Fa isan’andro no tokony ankasitrahana ianareo Vehivavy. Ny antony dia satria ianareo no fototra sy andry iankinan’ny tokan-trano sy ny Firenena. Amin’ny maha reny, vady, anabavy, Vehivavy anareo, dia manana andraikitra goavana ianareo eo anivon’ny tokan-trano sy ny firenena ihany koa. Ny fitiavana tsy misy tambiny, ny fikirizana, ny herim-po nanomboka tamin’ny Fanabeazana, ny Fitaizana, ny...