Tapa-kazo
K-paka, ka-paka, tsak, tsak... Fararano hiditra ririnina ny andro dia injay indray ilay diam-pamaky. Asa, manao ahoana re ny fody sy ry lavarambo alatrano ao isaky ny mahita ireto andian’olona ndeha handrava ny tranony. Manaloka hono : fa angaha tsy izany indrindra no ilàna ny hazo, hiaro ny olombelona sy ny biby ary ny zavamaniry tsy ho main’ny masoandro. Manakona hono: asa aloha, eto an-dRenivohitra, manantena hahita torapasika sa ranomasina aiza. Tsy fomba hono raha hoe mihoatra ny...