Tantara lasa «gravillon»
Hatramin’ny taona 1869, ilay nanaovana batisa ny Mpanjakavavy Ranavalona II sy ny Praministra Rainilaiarivony, narahan’ny fivoaran’ny finoana katôlika nentin’ny Jesoita, dia saika fomban-tany teto Imerina ny vohitra misy tilikambo roa, protestanta sy katolika, otronin’ireo Trano Gasy mbola tsy niharan’ny hetraketraky ny «béton». Tazanin-davitra, topaza-maso avy ety ambany, miatrika avy ety atsimo-atsinanana, io manangasanga ny tilikambon’ny Fiangonana protestanta...