Sangodimpanina mody angano, tsy tena arira
Amintsika, ny anaran-tany sy fanondroan-toerana tsy mitoeteo-poana fa tena nitantara zava-nisy tany am-piandohana. Raha eto Antananarivo, azo heverina fa ilay lasa hoe «Ambodimanga» etsy akaikin’i Besarety dia mety ho «Ambodinimangasoavina», satria manolotra azy ambony eo i Mangasoavina. Ohatra hafa : tsy kisendrasendra raha tsy dia mifanalavitra Antsakaviro (sahan’ny sakaviro na sakamalaho) sy Betongolo. Samy zavamaniry zanatany, sady sakafo no fanafody. Saka-viro, saka-rivo, ...