Sanatria aoriana handatsa
Toa falifaly avokoa hoe ho avy eto Madagasikara ihany koa ny «Qatar Airways». Misidina an’i Gasikara avokoa ny kaompania vahiny. Isika, na ny zotra anatiny aza tsy ahitana intsony ny anarana Air Madagascar. Ny firenena mivoaka ny sisin-taniny ary mipariaka amin’ny vazantany, efa nikotrika politika am-polo-taona maro. Isika, miova famindra isaky ny dimy taona, tsy nametraka paika lavitr’ezaka hatramin’ny 1959, anefa manokatra varavarana mampandroso an’izao tontolo izao. Ahiahy...