Safidy mametra tanjona sy vina no «fiovàna»
Ny fifidianana no maha demokrasia ny demokrasia any amin’ny firenen-kafa. Eto amintsika kosa, filan-kisa ny fifidianana. Philibert Tsiranana anie ka vao avy nahazo vato 99% (henamaso kely fotsiny no tsy nahasahiany niravaka avy hatrany ny zato isan-jato), enim-bolana monja nialoha ny 13 mey 1972.2023 : efa amam-bolana maro no samy nanatsidika ny fepetra tsy hisian’ny ahiahy tsy ihavanana, satria diso fantatra loatra ny fomba fanao hatrizay. Na Rakoto aza no mandresy isaky ny birao...