Ritra ny rano
Midanika ny masoandro, maina ny tany, ritra ny rano. Izany hoe «Ikopa rano malaza, ampian’ny tatatra arivo saha» izany dia toa Faha-Gola, tamin’ny andron’ny Nta-Olo. «Faran’ny omby hena, faran’ny rano Ikopa, faran’ny teny ifanatrehana» : tsy Ikopa intsony no faran’ny rano, fa izy Ikopa mihitsy no rano farany. Aiza intsony izay rano. Rehefa tsy Andrano-notapahina, dia Amparihy-nototofana. Ritra ny fantsakana. Izay tetezana lalovana, ritra avokoa ny rano tokony sabakaina. Io...