Raby ô, na Mpampianatra !
Tao amin’ny “Filazantsara” no nahitako voalohany ny teny hoe “Raby”. “Ary tia ny fitoerana aloha eo amin’ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin’ny synagoga sy ny hoharahabain’ny olona eny an-tsena ary ny hataon’ny olona hoe “Raby o !” (Matio, 23:6-7). “Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny hebreo hoe : Rabôny ! izany hoe mpampianatra” (Jaona, 20:16). “Ary niteny ¨Petera ka nanao tamin’i Jesosy hoe “Raby o, tsara raha mitoetra eto isika”...