Patra-baventy mamonto ny tany
Aiza ary ity orana. Aleo mantsy petsapetsa lava toy izay karakaina mandava-taona. «Noana fahavaratra» satria «tany halan’orana», hoy ny hiran’i Dama/Mahaleo. Anontanio ry zareo any Atsimon’ny Nosy. Vola sesehena no natobaka tany, efa enimpolo taona izao, fa toa tsetsefin’ny fasika hatrany hatrany ny pitipiti-drano sy herikerika : «Nahoana kay» ? Betioky, Ampanihy, Tsihombe, Ambovombe, Amboasary... Arivo kilometatra hono no tontalin’ny lalana amin’ny Fivondronana Betioky sy...