Ny fefiloha sy ny hitsin-dalan’ny rano
Tsaroako fa toa vao iray volana lasa izay ity lahatsoratra ity : «Mahalasa eritreritra ny vaovao hoe misy sahy nanapaka ny fefiloha ho lalan’ny fiara. Ny tangirika dia lavaka kely natao handehanan’ny rano amin’ny fefiloha ; fa ny tangoloaka dia «loaka mangotana» atahorana hanjera tamboho na handrava fefiloha. Fa dia efa saina inona loatra, sa ny toetr’andro ankehitriny kamboty «éducation civique» ka nilaozam-pahendrena, no alehan’ny lohan’ny sasany handavaka fefiloha. Efa...