Mizaha tany

Mbola tsy teraka ny tena, tamin’ny 26 jona 1967, nitokanana ny seranam-piaramanidina Ivato. Talohan’io andro io dia tany Arivonimamo no fanaterana ireo havana ho any andafin’ny riaka. Asa re, «fitsangatsanganana» fotsiny sa efa «fivahiniana» mihitsy ny telopolo kilometatra latsaka kely nampisaraka an’Antananarivo-Renivohitra sy Arivonimamo tamin’izany. Mbola tsaroana mantsy, taty amin’ny taona valopolo (1980s), manao ahoana izany «ho eny Ivato». Temitra olona ny lavarangana...
Lire la suite sur