Mitroatra izy, mimà
Rabearivelo Jean-Joseph (1901-1937) dia sady nanoratra tononkalo tamin’ny teny gasy no amin’ny teny frantsay. Samy fatratra ny fahaizany ireo teny roa tonta ireo ka sarotra fantarina iza no nosoratany mialoha ary iza kosa no dika-teny. Liana tamin-java-baovao Rabearivelo, isan’izany ny nianarany teny espaniola ihany koa, saingy tsy afaka tsy ho zanaky ny taonjato faha-19 vao nivalona, satria vao roapolo taona monja no nahafoana ny Fanjakan’Andriana no namoaka ny tononkalo voalohany...