Miiba, miabo : fikorontanan’ny toetr’andro
Miiba iray na manatombo roa Celsius izany dia efa manova zavatra ? Tamin’ny lahatsoratra herinandro lasa aho nanatsidika ny mari-pana tamin’ny taona 1950, amin’ny tonontaona tahaka izao.Mari-pana ankehitriny sy tamin’ny 74 taona lasa : 24 ka hatramin’ny 31 jolay 2024 : ambony indrindra 25°C - ambany indrindra 7°C (meteoart.com) ; 24 ka hatramin’ny 31 jolay 1950 : 23°C - 6°C (Bulletin de Madagascar, n°15, 16 août 1950).Ohatran’ny mba marina ihany ilay fahatsapana mihatra....