Madagasikara, tsy kofehy nanara-panjaitra
Nihaona ny samy (tena) Lehibe. Nifampotoana tany Alaska, izay tany rosiana fahiny, ny Filoha amerikana sy ny Filoha rosiana. Misy indray ny «m alahelo» satria hoe naverin’i Donald Trump ho anatin’ny Fianakaviambem-pirenena i Vladimir Poutine. Madagasikara moa, hatramin’ny nipoahan’io ady Rosia-Okraina io, dia nandà hatrany handala ny atsy na hankatò ny aroa. «Nalahelo» noho izany, ohatra, ny Vondrona eoropeana satria Madagasikara tsy mba nanatevina ny fanamelohana an’i Rosia...