Madagasikara. Raharaha Boeing 777-200 ER miisa 5 : fifampiraharahan’ny adala na «Marché de dupes» amina resaka manidin-tsidina tokoa
Io no atao hoe "société écran" fa ilay "Foibe" dia tao Mauritius Manoloan’ny resabe mivoaka etsy sy eroa vao mainka mampisavoritan-tsaina -nefa toa izany no tena tanjon’ny sasany-, dia alehoko manome fanazava tsy miaro an’iza n’iza fa manazava fa tena fifampiraharahan'ny adala na « Marché de dupes » no nisy. Izany dia miala amina fikaroana azo hamarinana fa tsy hoe fanoratana fahatany noho ny antony efa fantatra loatra ka tsy aty amiko no mitonatonana amina resaka mipetraka...