Madagasikara Herinaratra sy Rano. Miodikodina ny resaka satria miady irery ny Filoha Rajoelina, any ka…
Manahirana mihitsy ireto miseho « manome lesona » ireto kanefa niaina sy nanana andraikitra teo amin’ny fitondrana ny Firenena malagasy ihany. Indrindra moa ireo izay mitovitovy taona amiko na ny mihoatra koa aza. Tsy hiditra amin’ny lalina aho, tsy hamoaka anarana aho eto -fantatrareo hatrany izy ireo sy ireo tanora tarihiny ka lasa ratsy taiza- fa kosa hampiseho amin’ny alàlan’ny antontan’isa sy porofo an-tsary sy an-tsoratra mivaingana fa tsy hitovy na oviana na oviana ny...