Izaho maka ny «Vita Sinoa»
Lasa ihany ny saina mahita ny fampilazana asa fanamboarana eto Antananarivo-Renivohitra. Fantatra, ary voasoratra mazava, ny andro sy ora hanombohana ny asa. Ankamantatra kosa ny fotoana mety hahavitany. Kely loatra ho an’ny orinasa sinoa goavana tahaka ny China State Construction and Engineering, China Railway Group, China Railway Construction Corporation, China Communications Construction Company, raha izay fanamboarana madinika Ampasika, «route circulaire», Ambatoroka. Saingy misy...