«Ingahikama», James Cameron (1800-1875)
Teraka tamin’ny 6 janoary 1800 tany Little Dunkeld (Skotlanda) i James Cameron, ary tonga voalohany teto Antananarivo tamin’ny 6 septambra 1826. Nankinin’ireo namany Misionera LMS (London Missionary Society) taminy ny fanontana ny Baiboly ary vita printy teo Ambatonakanga ny bokin’ny Genesisy tamin’ny desambra 1827. Valo taona taty aoriana moa no vita dika manontolo tamin’ny teny gasy ny Baiboly. Havanana tamin’ny zavatra maro ity Misionera-mpanao taozavatra ity, ka izy no vy...