Hatraiza no «Tia Tanindrazana», rehefa inona no «Mpanavakavaka» ?
«De minimis non curat praetor» : ny tompon’andraikitra ambony tokony tsy handany andro amin’ny zava-poana. Teny latina fampiasa tamin’ny andron’ny Romana, taonjato faha-4 talohan’i J.-K.. Heviny : Resaka hala-botry tsy entina an-dRova. Mitovy hevitra aminy ny hoe «Aquila non capit muscas» : ny voromahery tsy manenjika lalitra. Aleoko tsy mandany andro mitanisa izay nivadika palitao atsy, na manatsatso izay nivarotra fanahy aroa. Misy mantsy ireo raharaha fototra tokony imasoana,...