Fanagasiana ny Tantara sy Jeografian’i Madagasikara
Bokin’ny fandaharam-pianarana frantsay, «Histoire et Géographie», kilasy «CE2», izany hoe «Neuvième» taloha» na ihany koa T3, no eto ambany masoko. Natao ho an’ny zaza fito na valo taona. Vao misokatra ny boky dia sarintanin’i Frantsa no mitsena ny mpianatra : ireo ony sy renirano, ny tendrombohitra lehibe. Jeografia ahitana sary iray na roa isaky ny takila mampiseho endriky ny tanàna samy hafa manerana an’i Frantsa, ny famokarana sy fivelomana isam-paritra, ny...