Fanafihana teny Anjohy : Hiakatra fampanoavana anio
Samy nanokatra fanadihadiana na ny zandary na ny polisy Anio no hatolotra ny fampanoavana ireo olona izay voarohirohy mahakasika ny fanafihana fiara nitondra vola haterina eny amin’ny banky, teny Anjohy. Olona enina no efa eo am-pelan-tanan’ny polisy misahana ny heloka bevava ary efa vita fanadihadiana. Efa nanomboka afak’omaly ny fanolorana azy ireo tetsy Anosy saingy mbola mitohy anio. Ny zandary koa dia nanokatra fanadihadiana momba ity raharaha ity rehefa nametraka fitoriana teny...