DREDD Vakinankaratra : Tsy voatery hisy fanantenana vao hiaro ny tontolo iainana
Narisika ny vahoaka niara niasa tamin`ny DREDD Tany amin`ny distrakan`ny mandoto misy ny valanjava-boahary «Madagasikarantsika» no toerana nanamarihan`ny DREDD Vakinankaratra ny andro maneran-tany ho an`ny tontolo iainana. Ny volana Aogositra 2023 no nanokanana ity valan-javaboahary ity, ao amin`ny fokontany Ampotaka kaominina Mandoto no misy azy. Fametrahana aro afo, fikojakojana ireo hazo novolena,fanesorana ireo ahi-dratsy, fanadiovana ny manodidina sy ny alan-javaboary ireo...