Dian-tana sy dian-dambo
Isan’ireo nasain’ny «ONG Vision Madagascar» hijery ilay «Madagascar ou le grand carnaval des caméléons» ny tenako, horonantsary notontosain’ilay Frantsay Paul Terrel, efa tamin’ny 2022. Teo am-pijerena ireto sary mahavariana, mitsongo-dia ity biby ratsy tarehy ity, aho no lasa saina, nahatsiaro tampoka ny «Anganon’ny Ntaolo», nangonin’ilay Norveziana Lars Nielsen Dahle (1843-1925) tamin’ny taona 1877. Isan’ireny ilay «Ny tanalahy sy ny lambo», tafahoana an-dalambe ka...