Antsirabe : Tanora sahirana miisa 800 hahazo tombotsoa
Tanora miisa 800 avy amin’ny distrika Antsirabe voalohany sy Antsirabe faharoa no hahazo tombontsoa manokana avy amin’ny tetikasa J2A na« Jeunesses Actrices de leur Avenir ». Manodidina ny 13 ka hatramin’ny 29 ny salataonan’ireo tanora ireo izany hoe ao anatin’ny fotoana afahan’izy ireo mivelatra kokoa eo amin’ny sehatry ny asa. Miompana amin’ny fanohanana sy fanampiana ireo tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa sy ny sehatry ny fandraharana rahateo no tanjon’ny J2A...