Soavinandriana : Tambajotra mpamaky trano nikoizana, ravan’ny pôlisy
Efa ela no nampikolay sy nampitondra faisana ireo mponina tao Soavinandriana Itasy tao sy ny manodidina ireto olon-dratsy ireto fa izay vao nisy sahy nitory ny lasibatra. Nandray ny andraikitra avy hatrany ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Soavinandriana Itasy, ary voasambotra soa aman-tsara izy ireo ary nadoboka am-ponja. Ny faran’ny herinandro lasa teo tokoa mantsy dia nitrangana vaky trano, tao amin’ny fokontany iray tao an-tampon-tanan’i Soavinandriana tao. Lasan’ireo...