Oram-be eto Toamasina renivohitra : Manampy vahoaka ny mpitandro ny filaminana
Vokatry ny oram-be eto Toamasina dia namoaka filazana ny polisim-pirenena eto Toamasina, tarihan’ny talem-paritry ny polisy Atsinanana kaomisera Rakotovao Christian, ho an’ireo mpiara-miasa aminy. Araka ity fanambarana ity dia tsy mitsahatra eo amin’ny fametrahana filaminam-bahoaka ny asany, fa tokony hita ihany koa izy ireo amin’ny fanampiana ireo mpiara-belona mila vonjy noho ny fiakaran’ny rano amin’ny faritra maro eto Toamasina. Noho io antso avo avy amin’ny talem-paritry ny...