Lazaina Avaradrano : Raim-pianakaviana nanasaraka ady, maty voatifitry ny totohondry
Izy niezaka nanasaraka ny ady nifanaovan’ireto andian-jatovo indray no lasibatra, ary niafara tamin’ny famoizany ny ainy mihitsy. Raim-pianakaviana iray, tokony ho 57 taona no voa mafy teo amin’ny lohany ary nitarika hatramin’ny fahafatesany, ny andron’ny sabotsy teo, tetsy Lazaina Avaradrano, ao anatin’ny kaominina Anosy Avaratra. Fahavoazana teo amin’ny lohany, vokatry ny dona mafy nahazo azy no nitarika izay fahafatesana izay, raha ny fanazavana azo. Nitrangana savorovoro...