Isotry : Voasambotra Ilay jiolahy nangalatra « caméra de surveillance »
Tsy ela dia tratra Ilay jiolahy nangalatra «caméra de surveillance » sady mbola azo sary ny tavany. Taorian’ny fikarohana sy angom-baovao samihafa, niampy ny paikady napetraky ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’Isotry dia nahitam-bokany izany satria voasambotra ny asabotsy ny iray tamin’ireo jiolahy nangalatra teny Isotry, tamin’ny 3 ora maraina. Nahitàna « tablette » miisa roa sy finday 10 tany aminy tamin’ny fisamborana azy, izay mbola ahiahiana fa entana halatra ihany...