Bekorobo-Tsaratanàna : Omby fito nampiahiahy hita tao anaty kizo
Ny kizo no tena hazo lazaina fa hanefenan’ireo malaso omby halatra avy nangalarina. Raha ny vaovao marim-pototra dia nahazo loharanom-baovao tamin’ny olona tsara sitra-po ny Zandary, izay nahafantatra ny fisiana omby tao anatin’ny kizon’ i Bekorobo, dimy kilometatra miala ny tanànan’ Androfia, fokontany Marehareha, any amin’ny kaominina ambanivohitra Bekapaika, disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka. Rehefa nahare sy nahazo antso ny mpitandro ny filaminana,...