Ankilizato : Olona 7 maty tsy tra-drano tratran’ny lozam-pifamoivoizina
Potika tanteraka ny fiara. Nitrangan’ny lozam-pifamoivoizina nahafatesana olona maro tany Ankilizato. Fiara Mazda iray mampitohy an’i Mahabo sy Miandrivazo no tra-doza tany Beranomaso omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora latsaka fahefany teo ho eo. Vokany, olona fito no maty tsy tra-drano, ka zaza ny telo ary olon-dehibe ny efatra. Olona efatra hafa mbola miady aman’aina any amin’ny hopitaly, ary ireo ambiny kosa maratra mafy ary manaraka fitsaboana ao aminy CSBII...