Ambohimangakely : Trano fivarotana voninkazo kila forehitra
Teo Ankadiefajoro no nitranga ilay hain-trano, omaly tokon ho tamin’ny telo ora sy sasany tolakandro. Niainga tamin’ny “court-circuit” ny firehetana ary vetivety izany dia nahazo vahana noho ny rivotra. Tsy matin’ny rano natsipy intsony ny afo na dia niezaka aza ny olona nanao izay ho afany. Nojerem-potsiny sisa rehefa tena niredareda ary niandry izay nigadonan’ny mpamonjy voina. Voafehy ihany anefa izany tokony ho adiny iray taty aoriana ary teo no nahafantarana fa may tsy nisy...